01/01/2026
Manao Salamanga voho Nahoa Magnitse antsika iaby , nahatratse gny Taom-baovao 2026 zao 🎉✨
Mirary gny soa ho antsika iaby , ho tao mirindra voho feno ny fahasoava avy amin’andrianagnahary loloavin-tsika.
Andrianagnahary voho gny Raza anie hitahy , hiaro antsika mandrakariva, loniky mba ho tao feno fahombiaza , haravoa , fahasalamaha , fanantena, intoy taombao intoy 🙏🌟
Loniky tsy hagnay iaby tsika morofoko voho gny avorohota iaby amy toy tao toy 🙏
13/12/2025
Miarahaba am-pitiavana ny vahoakan’i Morondava Ambonivohitra tsy ankanavaka ny tenako.
Herintaona izay no nandraisan’ny vahoaka anjara tamin’ny fifidianana ny Ben’ny Tanà na. Ankehitriny anefa, mivoaka amin’ny fahanginako aho manoloana ny zava-misy mampanahy izay mampiditra an'i tananan-tsika toy ny ao anatiny tsy fanarahan-dalana tanteraka, eo aminy fifidianana ny Filoha ny Filankevitra Monisipaly.
Marihina fa efa nisy Délibération navoakan’ny Filankevitra Monisipaly tany am-piandohan’ny volana Aogositra, saingy tsy nahazo “contrôle de légalité” avy any aminy Prefektiora , ary tsy nisy fanazavana ofisialy nomena raha tsy 125 andro taty aoriana .Izany dia mahakasika manokana ny fifidianana sy ny firafitry ny Birao vaovao, ka tamin’izany fotoana izany dia Conseillers 8 no nandany.
Ankehitriny kosa, Conseillers 3 monja amin’ny 13 no nandany ny Filoha ny Filankevitra Monisipaly. Na dia ampidirina aza ireo 3 lazaina ho procuration, izay tsy naseho mazava no sady misy daty tsy mifanandrify, dia tsy manome antoka ara-dalà na izany dingana izany.
Manoloana izany rehetra izany, manohitra tanteraka ny fanapahan-kevitra natao an-tery sy tsy ara-dalà na ny tenako. Miantso am-panajana ireo manampahefana mahefa aho mba hijery ity raharaha ity amin’ny fo tsy miangatra sy tsy mitanila.
Tsy tokony ho olombitsy no mametraka ny hoavin’ny tanà na, satria tanà na iombonana i Morondava. Ny tanjona dia ny hanasoavana ny vahoaka sy ny tanà na, fa tsy ny tombotsoan’olona vitsy.
Misaotry, voho manao Mahavelo Bevata ho an-tsika iaby, ho samby tahian’ny Magnitse voho maro basia iaby tsika iaby 🙏
01/01/2025
Miarahaba ny vahoakan'ny MORONDAVA manontolo nahatratra ny taona 2025 .
Enganie hitondra soa sy mamy ho antsika anie ity taona vaovao ity.
Koa dia mirary ny tsara ho antsika hatrany ary samy ho tahian'ny Tompo iaby .
25/12/2024
Miarahaba ny vahoakan'ny MORONDAVA tsy ankanavaka amin'izao akatrokin'ny KRISMASY izao .
Enganie ka ho KRISMASY feno FITIAVANA sy FAHASAMBARANA ho antsika sy ny fianakavian-tsika tsirairay avy .
Ho tahian'andriamanitra mandrakariva ary samy ho tratry ny TAONA 2025 avy .