10/09/2025
Renouvellement carte fiscale
✅Inona ny renouvellement carte fiscale ?
Ny renouvellement carte fiscale eto Madagasikara dia mariky ny fahavitan’ny déclaration d’impôt (na impôt synthétique IS na Impôt sur le revenu IR ) isan-taona. Io dia midika fa nahavita nandoa ara-dalàna ny hetra rehetra tamin’iny taona lasa iny ny orinasa iray.
✅Iza avy no tokony hanao izany renouvellement carte fiscale izany ?
Ireo rehetra manana Numéro d’Identification fiscale (NIF) rehetra toy ny :
- Entreprise individuelle
- Société (SARL, SA, …)
- ONG, Association,…
✅Inona no mety olana raha tsy manao izany ?
- Mitombo hatrany ny sazy ara-ketra arakaraky ny hiandrasanao fotoana.
- Tsy afaka manao taratasy ara-ketra eny amin’ny centre fiscal na manokatra société hafa.
- Misy orinasa lehibe na Projet tsy mety miara-miasa aminao raha tsy manana carte fiscale à jour ianao.
✅Inona no avy ary ny taratasy ilaina raha te hanao renouvellement Carte fiscale ?
- Ny carte fiscale teo aloha
- Ny carte STAT
- Ny Etats financiers raha toa ka société ianao.
- Ny Bordereau de déclaration de l’impot na IS na IR
- Ny vola mifanaraka amin’izany kajin’ny Impôt izany
- Ireo récépissé nandoavanao acompte IS na IR
- Ny vola mifanaraka amin’ny IR Gérant raha toa ka Associé Gérant majoritaire
- Ny contrat de bail à jour
- Ny Déclaration de communication raha toa ka société ianao
- Ireo vola amin'ny hetra mbola tsy voaloa : ohatra IRSA mbola tsy voalao,…
✅Aiza sy isaky ny inona no tokony hanao izany ?
Eny amin’ny centre fiscal misy anao, isaky ny tapitra ny exercice.
😊Ny CRM - Conseil dia afaka manampy anao amin’izany fanavaozana ny carte fiscale izany. Antsoy ny responsable conseil : 032 77 280 52
Cabinet CRM, toujours à votre service depuis 5 ans.
Mail : [email protected]
Site web: www.crmcac.com
04/09/2025
Faly miarahaba ireo Expert-comptable vaovao afaka tamin'ny fanadinana DEX izahay ekipan'ny CRM 👏👏👏
L'OECFM est heureux d'annoncer le résultat de l'examen final du Diplôme d'Expert-Comptable et Financier de la session Août 2025.
Toutes nos sincères félicitations pour cette étape franchie.😄
04/09/2025
SARL
💡Inona avy no atao raha toa ka te hanokatra orinasa manana statut SARL na SARLU ?
1️⃣Midira ao amin’ny site web EDBM https://orinasa.edbm.mg/documentsLegalForm ahitanao ny taratasy ilaina rehetra amin’izany sy ny modely ampiasaina toy ny :
- Statut SARL na SARLU
- Contrat de bail
- PV Prise de participation
- Déclaration relative aux dirigeants
- PV de nomination gérant…
2️⃣Fenoy tsara ireo modely ireo ary hamarino tsara sao “Activités règlementées” ny asa saika ho ataonao ka manana Autorisation mifanaraka amin’izany ianao.
Misy isa ilaina avy ireo taratasy rehefa hanatitra azy any amin’ny EDBM ka jereo ato aloha ny isan’ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany https://edbm.mg/creation-de-societe/
3️⃣Manokafa kaonty ao amin’ny https://client.orinasa.edbm.mg/login
4️⃣Ampidiro ao ny mombamomban’ny orinasa tianao ho sokafana sy ny scan ireo dossier ireo.
5️⃣Araho tsy tapaka ny fivoaran’ny fangatahanao sao misy tsy ampy na ovaina.
6️⃣Rehefa ok ireo ka mahazo rendez-vous ianao dia hoento any amin’ny EDBM ireo atontan-taratasy rehetra ireo araka ny isa voalaza etsy ambony, miaraka amin’ny vola mifanaraka amin’izany.
7️⃣Alaivo ny Carte Fiscale sy ny STAT ary ny RCS-nao rehefa tenenin'ny EDBM hoe azo alaina any aminy izany.
❗️Ohatrinona ny sarany izany ?
Enregistrement statuts 0,5% du capital………….10 000Ar
DE contrat de bails 2% du montant total loyer …10 000 Ar
PV………………………………………………………………………2 000 Ar
RCS…………………………………………………………………16 000 Ar
STAT………………………………………………………………40 000 Ar
Acompte IS na IR (arakarakany)……………………150 000 Ar (ohatra)
✅Eo amin’ny 228 000 Ar eo izany ny vola ilaina. Mety hitombo nefa io arakaran’ny capital, loyer ary ny activités.
Ny CRM - Conseil dia afaka manampy anao amin’izany amin’ny sarany manomboka amin’ny 300 000 Ar. Afaka manao ny service hafa ihany koa : toy ny changement de statut, changement de dirigeant... Antsoy ny responsable création société : 032 77 280 52
Cabinet CRM, toujours à votre service depuis 5 ans.
[email protected]
www.crmcac.com
22/08/2025
Stocks
📦Ny stock amin’ny sehatra comptabilité dia manondro:
• ny entana novidiana ho amidy (stock de marchandise)
• na ny vokatra efa vita fa mbola tsy nalefa amin’ny mpanjifa (stock de produits finis et encours de production)
• na koa akora fototra mbola tsy nampiasaina amin’ny famokarana (stock de matières premières)
Ohatra :
🏪Raha manana fast food ianao :
• Stock de marchandise: zava-pisotro efa vita toy ny Coca-Cola.
• Stock de produits finis : sandwich efa vita miandry mpividy.
• Stock encours : ovy frity mbola tsy voaendy
• Stock de matières premières : vary, menaka, akoho, sira.
🗓Fomba fitantanana stock
Raha araka ny PCG 2005 malagasy, dia misy karazany 2 ny fitantanana ny stock : FIFO sy CUMP. Io no ahafahana miévaluer ny vidin’ny entam-barotra mivoaka (Prix de revient de sortie de stock)
1️⃣FIFO (First In First Out) → ny entana nampidirina voalohany tao anaty stock no amidy voalohany (ilaina amin’ny zavatra mety simba: sakafo, fanafody).
🔹 Ohatra:
• 01 Janoary: mividy 10kg vary @ 2 000 Ar/kg (total: 20 000 Ar)
• 05 Janoary: mividy 10kg vary @ 2 500 Ar/kg (total: 25 000 Ar)
• 10 Janoary: amidy 12kg vary
👉 Fomba kajy amin’ny FIFO:
• 10kg voalohany → avy amin’ny stock 01 Janoary = 10 × 2 000 = 20 000 Ar
• 2kg sisa → avy amin’ny stock 05 Janoary = 2 × 2 500 = 5 000 Ar
➡️ Vidin’entana nivoaka = 25 000 Ar
➡️ Stock mbola misy = 8kg × 2 500 = 20 000 Ar
2️⃣CUMP (Coût Unitaire Moyen Pondéré)
Amin’ity fomba ity, rehefa misy fividianana vaovao dia kajiana miaraka ny stock teo aloha sy ny stock vao tonga, ka atao ny moyenne an’izany.
🔹 Ohatra :
• 01 Janoary: 10kg vary @ 2 000 Ar/kg (20 000 Ar)
• 05 Janoary: 10kg vary @ 2 500 Ar/kg (25 000 Ar)
👉 CUMP = (20 000 + 25 000) ÷ (10 + 10) = 45 000 ÷ 20 = 2 250 Ar/kg
• 10 Janoary: amidy 12kg × 2 250 = 27 000 Ar
➡️ Stock mbola misy = (20 – 12) × 2 250 = 8 × 2 250 = 18 000 Ar
✅Ahoana ary ny comptabilisation’ny stock ?
Raha araka ny PCG 2005 malagasy, misy karazany 2 mazava tsara ny comptabilisation’ny stock : inventaire permanent sy inventaire périodique :
1️⃣Inventaire Permanent
👉 Ny stock dia havaozina sy raketina isaky ny fividianana sy fivarotana. Misy fanaraha-maso mitohy.
Ohatra : Orinasa mivarotra vary.
• 01 Janoary: fividianana 10kg vary @ 2 000 Ar/kg → total 20 000 Ar.
• 05 Janoary: fividianana 10kg vary @ 2 500 Ar/kg → total 25 000 Ar.
• 10 Janoary: fivarotana 12kg vary @ 3 000 Ar/kg → total vola miditra 36 000 Ar.
📝Comptabilisation :
• Fividianana entana (Achat)
Débit 37 - Stocks marchandises 20 000
Crédit 401 - Fournisseurs 20 000
• Fivarotana entana (Vente)
1. Fandraiketana ny fidiram-bola (ventes)
Débit 411 - Clients (ou 512 Banque) 36 000
Crédit 707 - Ventes de marchandises 36 000
2. Fandraiketana ny vidin’entana nivoaka (coût des ventes) – miankina amin’ny méthode FIFO na CUMP:
Débit 607 - Coût d’achats/ventes XX # # #
Crédit 37 - Stocks marchandises XX # # #
➡️ Ny stock sisa tavela dia hita ao amin’ny compte 37.
2️⃣Inventaire périodique
👉 Eto kosa dia TSY atao mise à jour isan’andro ny stock (compte 37). Fa ny fividianana rehetra dia raketina ao amin’ny compte Achats (607), ary amin’ny faran’ny taona vao atao ny inventaire mba hanitsiana ny stock sisa tavela.
📝Comptabilisation :
• Fividianana entana (Achat)
Débit 607 - Achats de marchandises 20 000
Crédit 401 - Fournisseurs 20 000
• Fivarotana entana (Vente : tsy mienrengistré ny coût sortie isaky ny transaction fa ny vola miditra ihany)
Débit 411 - Clients 36 000
Crédit 707 - Ventes de marchandises 36 000
• Amin’ny faran’ny taona: manao écriture d’inventaire hanitsiana ny compte 37 (stock sisa tavela) sy 603 (variation de stock).
Raha stock sisa = 18 000 Ar ohatra:
Débit 37 - Stocks marchandises 18 000
Crédit 603 - Variation de stocks 18 000
Sources : PCG 2005 malgache, Guide annoté PCG 2005 malgache.
Cabinet CRM CAC, Comptabilité-Audit-Conseil, toujours à votre service depuis 5 ans.
+261 34 65 459 75
[email protected]
www.crmcac.com
18/08/2025
Charges vs Immobilisations
1. Compte d'immobilisation 🏢
Ireo kaonty misoratra amin'ny fananana maharitra izay ampiasaina amin'ny asa famokarana na fitantanana, tsy amidy amin'ny fotoana fohy ary ampiasaina mihoatra ny herintaona (ohatra: tany, trano, milina, fitaovana).
Tsy voatery ho lany avy hatrany fa hita tsikelikely ny fihenany amin'ny alalan'ny amortissement.
Raha mividy milina iray ny orinasa, vidiny 10 000 000 Ar izy io.🏗
→ Io milina io dia hosoratana amin'ny Compte d'immobilisation
→ Tsy atao fandaniana mivantana amin'ny taona voalohany, fa atao amortissement tsikelikely mandritra ny taona maro (ohatra: 5 taona).
2. Compte de charge📦
Ireo vola mivoaka mifandray amin'ny asa, famokarana, na fitantanana mandritra ny vanim-potoana iray (matetika isam-bolana na isan-taona).
Voarakitra tanteraka amin'ny vanim-potoana iray, tsy toy ny immobilisation izay atao amortissement.
Ohatra : fividianana entam-barotra, fanamboarana kely, fividianana kojakoja madinidinika, sns.
Raha mividy kojakoja madinika ohatra ny orinasa iray toy ny fitaovana fanamboarana kely amin’ny vidiny 50 000 Ar.🔧
→ Io dia voarakitra amin'ny Compte de charge satria fandaniana madinika tsy tafiditra ao amin'ny fananana maharitra.
❓Ahoana raha mampisalasala hoe Charge sa Immobilisation ?
Ohatra : nividy Onduleur mitentina 200 000 Ar ny orinasa iray.
✅Raha araka ny PCG 2005 malagasy dia azo ataon’ny orinasa charge avy hatrany ny vidin-javatra kely na dia maharitra mihoatra ny herintaona aza. Anjaran’ny orinasa tsirairay izany no mametraka Seuil hoe rehefa latsakin’iny dia atao charge avy hatrany. Ohatra : izay latsaka ny 500 000 Ar dia atao charge.
➡️Araka n’io seuil io izany dia ampidirina ho Charge avy hatrany ilay onduleur.
Sources : PCG 2005 malgache, Guide annoté PCG 2005 malgache.
Cabinet CRM CAC, Comptabilité-Audit-Conseil, toujours à votre service depuis 5 ans.
+261 34 65 459 75
[email protected]